Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
26 mai 2013 7 26 /05 /mai /2013 00:20

 

" Iarahaka hivavaka isika, Tompoko.


Andriamanitra Tompo Malalanay ô, misaotra Anao izahay nanome izao tonon’andro izao, izay afahanay manatona Anao bebe kokoa, sy ny mifandray aminao amin’ny alàlan’izao fiombonam-bavaka sy ny fifadian-kanina ataonay izao.


Ianao, Tompo ô, no efa nilaza fa tsy misy olana tsy ainao vahana rehefa mitodika aminao izahay, rehefa mahatoky Anao sy mino Anao izahay. Eo amin’ny kihon-dalàna sarotra ny firenenay ankehitriny, Tompo ô. Ka mitodika aminao izahay, mitalao sy mangataka aminao izahay, mangataka ny famindra-ponao, ny famonjenao, ary mivavaka aminao izahay, Tompo ô.


Mangataka fitahiana aminao manokana izahay. Hazavao ny sain’ny olom-pirenena tsirairay avy, Tompo ô, torohy izay làlana tokony haleha izahay, amin’ny alàlan’ny Teninao Masina hatrany, Tompo ô.


Tompo ô, hamaivano izay ho entana mavesatra tokony entin’ny tsirairay avy, eo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra sahan’ny tompon’andraikitra rehetra eto amin’ny firenena.


Mangata-pitahiana aminao izahay, ary mangataka ihany koa ny famelanao ny mpanao politika rehetra : azavao ny fony, azavao ny fonay sy ny sainay mba hahay hametraka ny hoavin’i Madagasikara hierehin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-pahefana ka hitsinjo kokoa ny fampiavanam-pirenena ary mba ho vanona anie ity Nosy malalan-tsika ity.


Mangata-pitahiana ihany koa izahay ho an’ny vahoaka tsy vaky volo, mba hànana fo tony hatrany, ary hitombo fahendrena, Tompo ô. Herezo izahay, Tompo ô mba tsy ho mora resin’ny akiviana, manoloana ny fiainana andavanandro sy ny asarotam-piainana iainanay ankehitriny. Mba ho velom-panantenana sy fitokisana mandrakariva amin’ny fitandroanao sy ny fitahianao izay, Tompo ô, satria Ianao no Mpandahatra ny fiainanay, ary mahatoky Anao izahay.


Mifona sy mibebaka aminao izahay, Tompo ô, noho ny fahalemenay sy ireo zavatra rehetra mety nataonay ka tsy mifanaraka tamin’ny sitraponao. Aza ny elokay, Tompo, no jerena fa ny fahatokisanay Anao, ny finoanay Anao ary ny tsy fivadianay aminao.


Henoy izany vavakay izany, Tompo ô, mitenena aminay, fa vono-kiheno Anao izahay, ary ampianaro koa izahay fa vonona hanitsy ny fitondra-tenanay tsirairay avy. Ambarao ny sitraponao fa vonona hanatanteraka izany izahay.


Apetrakay eo am-pelatananao foana ny Hoavin’ity Firenena maminay ity. Dia I Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy izany. Mba arovy fatratra izay, Tompo, amin’izay karazana vela-pandrika sy ratsy kasaina ho atao eto amin’ity firenena ity.


Ho tanteraka anie ny sitraponao, misaotra Tompo ô,

Amen.


Izany vavaka izany dia hinoko fa ho ren’ny Tompo, ho ren’Andriamanitra ary vavaka tsy maintsy hisy valiny satria, araka noteniko teo hoe : inona tokoa moa ny angatahana amin’Andriamanitra, Tompo, ka tsy ho tanteraka.


FETIN’NY RENY 2013



 

" Eto am-pamaranana dia mitodika manokana aminareo renim-pianakaviana rehetra ny tenako satria fanta-tsika fa Fetin’ny Reny rahampitso. Ka ho anareo Reny izay manatrika etoana, sy ny reny any an-tokan-trano rehetra any sy manerana ny Nosy, dia tsapan’ny zanakareo tsirairay avy ny andro nomenarao ny zanakareo ny fankaherezana ho azy ireo, ary indrindra ny fotoana sy ny fitiavana nozarainareo tamin’ny zanakareo tsirairay avy.


Te-hiteny amin’ny anaran’ny zanaka rehetra aho, eto, androany: dia tsapany ny zanakareo tsirairay avy izany fitiavanareo izany. Dia mirary soa ary mirary fety sambatra ho an’ny Reny Malagasy rehetra isika, Tompokolahy sy Tompokovavy.


Ho tahian’Andriamanitra anie ity Nosin-tsika ity ary izaho mino fa tsy ho avelany eo am-pelatànan’ny ratsy ny firenena.


Misaotra, Tompokolahy

Mankasitraka, Tompokovavy ".

 

Andry Rajoelina

Partager cet article
Repost0

commentaires

De La Vision Aux Actions

  • : Le blog des actions d'Andry RAJOELINA
  • : TRANSFORMER NOTRE VISION EN ACTIONS. Lancement de cette stratégie du Président Andry Rajoelina, le samedi 6 novembre 2010, au Palais des Sports de Mahamasina à Antananarivo
  • Contact

Dossiers