Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
27 juin 2013 4 27 /06 /juin /2013 05:07

 

  

KABARIN’NY FILOHAN’NY TETEZAMITA, ANDRIAMATOA RAJOELINA Andry

FANKALAZANA NY FAHA-53 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENAN’NY FIRENENA MALAGASY

ALAROBIA 26 JONA 2013 – LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA


Arahaba ry Malagasy ! Arahaba tratry ny fetim-pirenentsika !

Arahabaina manokana ianareo Foloalindahy, tratra izao asaramanitra izao.

Manome voninahitra ny Firenentsika isika androany.

Satria Malagasy isika, ary manana ny maha-izy azy.

Koa amin’ny fo feno fitiavana, tsy misy fiatsarambelatsihy

No iarahabako anareo Namana, manerana ity Nosy ity !

 

Tompokolahy sy Tompokovavy,



 

Ny fitiavan-tanindrazana, dia manomboka ao anatintsika tsirairay avy.

Ary mitempo ao am-pontsika, ao am-poko, ao am-ponao mandrakariva.

 

Ny fitiavan-tanindrazana dia tsy amidy, ny fitiavan-tanindrazana dia tsy atakalo, ny fitiavan-tanindrazana dia tsy hiadiana varotra.

 

Mankalaza ny faha-53 taona niverenan’ny Fahaleovantena isika izao. Sarobidy loatra izany Fahaleovantena izany, ary novidian-dafo sy namoizana aina maro mihitsy aza, toy ny herim-po nasehon’ ireo Menalamba, ny Sadiavahy, ny V.V.S, hatramin’ireo Mpitolona tamin’ny 1947.

 

Nolovaintsika izany Fahaleovantena izany, ary ankehitriny, adidy sy andraikitsika ny miaro fatratra azy hatrany.

 

Araky ny efa nambarako ombieny ombieny, raha ny faniriako, dia mba hahaleo tena amin’ny fanapahan-kevitra amin’ny ho aviny, ny Firenena Malagasy, fa tsy ho terena amin’izay tokony ho ataony foana izao. Mba hahaleo tena ara-toe-karena, fa tsy hiankina lava izao amin’ny any ivelany. Izany no tanjona, izany no fanamby.

 

Ny famoronana harena avy amin’ny alalan’ny harenantsika ihany, no hahafahana mampandroso ny Firenena, amin’ny alalan’ny fiarovana ny tombotsoan’i Madagasikara.

 

Tsy ho avelantsika ho ravan’ny hafa izany dia : ireo harena voa-janahary, ny harena ara-kolotsaina, eny, hatramin’ny harena ara-panahy, izay nolovaintsika Malagasy.

 

Tsy misy afaka hanala, ny zo fototra ananan’ny Malagasy eto amin’ity tanindrazana ity, dia ny fahafahana hisafidy sy hifidy, ny làlana hizoran’ny Firenena.



 

Ny hahafahantsika miaro izany zo fototra izany, dia miankina amin’ny  fifankatiavana, ny firalahina ary ny fifanomezan-tànana eo amintsika samy Malagasy.

 

Azo atao tsara izany raha miray feo sy miara-misalahy isika mianakavy, ao anatin’ny fadiovam-po sy fadiovan-tsaina. Aza manaiky ho zarazaraina sy ho ampiadiana isika Malagasy. Tonga ny fotoana hanaporofoina sy hanehoana ny tena firaisankinantsika Malagasy.

 

Izany indrindra no anaovako antso avo ho an’ny tsirairay avy, mba ho tony hatrany, ary tsy ho mora rebirebena, fa ho sahy hitraka sy hijoro amin’ny maha-Malagasy, satria Madagasikara no Firenentsika, satria Madagasikara no jerentsika, satria ny ho avin’ny Vahoaka Malagasy no tsinjovintsika.

 

Enga anie ka ho tanteraka tokoa ilay andininy, ao amin’ny hiram-pirenentsika manao hoe : “… Ny fitiavanay anao tsy miala fa ho anao doria tokoa

 

N’inon’inona izay mety ho fisedrana, n’inon’inona olana misy eto amin’ny Firenena, n’inon’inona izay mety ho tsy fitovian-kevitra, dia tsy tokony hampihena na hanala ny fitiavantsika an’ity Nosy malalantsika ity izany.

 

Ry Malagasy Namako,



 

Malagasy ianao, Malagasy isika.

Ny maha-Malagasy anao, no maha-hafa antsika.

Sedra sy ady ilàna “fasahiana”,

Ary sedra sy ady mitaky “firaisan-kina”,

Izany no hany lefona sy ampinga

Handresena ireo mpamingavinga,

Matokia isika namana, mitsangana, mijoroa

Fa ny fitiavana ao anaty, ary koa ny herim-po,

No hahasoa sy hahatsara

An’i Madagasikara !

 

Ho tanteraka anie ny Sitrapon’Andriamanitra”!

Masina ny Tanindrazana!

 

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy

************************************************

 

TRADUCTION LIBRE

 

Malagasy, felicitations ! Félicitations d’être vivant pour notre Fête Nationale !

Félicitations particulières pour vous, Militaires, d’être présents à cette commémoration.

En ce jour, nous faisons honneur à notre Nation.

Car nous sommes Malagasy et nous avons notre propre spécificité.

C’est donc avec le Coeur empli d’Amour et sans aucune hypocrisie

Que je vous félicite, vous mes Amis à travers cette chère Grande île ¡

 

Tompokolahy sy Tompokovavy,



 

Le Patriotisme est une valeur qui prend racine à l’intérieur de chacun d’entre nous.

Il bat dans nos cœurs, dans mon cœur, dans votre cœur du matin au soir.

Le Patriotisme ne se vend pas, le Patriotisme ne s’échange pas, le Patriotisme  ne se marchande pas.

 

Aujourd’hui, nous célébrons les 53 ans du retour de notre Indépendance. Cette Indépendance est précieuse pour nous, pour la reconquérir, du courage et des sacrifices humains en ont été le prix: ceux des “Toges Rouges” (Mena Lamba”), du Sadiavahy, du V.V.S. jusqu’aux Héros de 1947.

 

Nous avons hérité de cette Indépendance et, de nos jours, il est de notre devoir, de notre responsabilité de la défendre farouchement et sans répit.

 

Comme je le dis souvent, s’il ne tenait qu’à moi, nous, peuple Malagasy formant la Nation Malagasy, devons être indépendants dans toutes les décisions concernant notre avenir, et non pas subir de sempiternelles directives venues de l’extérieur. Nous devons être indépendants économiquement et non pas être éternellement sous tutelle de l’extérieur. Tel est l’objectif, tel est le défi.

 

Seule la création de richesses à partir de nos propres richesses et la défense des intérêts de Madagascar pourront développer effectivement la Nation,

 

Mais nous ne laisserons pas les autres piller nos richesses naturelles, détruire notre richesse culturelle et cultuelle que nos ancêtres nous ont laissées en héritage.

 

Nul ne peut ôter les droits fondamentaux des Malagasy au sein même de leur Patrie, tels le libre choix et la liberté de choisir leur propre destin.

 

Le seul moyen pour défendre ces droits fondamentaux repose sur notre Amour mutuel, notre fraternité et le légendaire esprit de solidarité Malagasy.

 

Cela est réalisable si nous parlons d’une même voix et que nous nous levons comme un seul homme guidé par un cœur et un esprit sains. Nous, Malagasy, ne devons pas accepter ni admettre que l’on nous divise, que l’on nous ligue les uns contre les autres. Le moment est venu pour nous de démontrer et de prouver ce qu’est cette Solidarité Malagasy.

 

Et c’est dans ce sens que je lance un appel à chacun d’entre vous: ne vous laissez pas tenter par des miroirs aux alouettes mais dressez-vous en tant que Malagasy parce Madagascar est notre Nation; parce que Madagascar doit rester dans notre ligne de mire, avec l’avenir du peuple Malagasy comme ultime cible.

 

Et c’est ainsi que sera effective la strophe de notre hymne national: “… Notre amour pour toi est indéfectible et le demeurera à jamais ”. “… Ny fitiavanay anao tsy miala fa ho anao doria tokoa

 

Quelles que soient les épreuves, quels que soient les problèmes qui existent dans notre Nation; quelles que soient les divergences d’idées, cela ne doit pas affaiblir ni ôter l’Amour que nous portons à notre chère Grande île.

 

Ry Malagasy Namako,



 

Tu es Malagasy, nous sommes Malagasy.

C’est cette “malgachéité” qui fait notre spécificité unique au monde.

Les épreuves et les vicissitudes de la vie requièrent du courage à revendre,

Et ce courage doit engendrer une solidarité à toute épreuve

Ce sont des armes terriblement efficaces

Contre ceux qui nous rabaissent sans relâche

Gardons confiance, mes amis et levons-nous, dressons-nous

Car notre amour-propre et aussi notre volonté doublée de courage

No hahasoa sy hahatsara

Amèneront Bonheur et et Prospérité dans notre pays Madagascar!

 

“ Que la volonté de Dieu soit faite ! ”

La Partie est Sacrée !

 

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy

Traduit par : Jeannot Ramambazafy

Partager cet article
Repost0

commentaires

De La Vision Aux Actions

  • : Le blog des actions d'Andry RAJOELINA
  • : TRANSFORMER NOTRE VISION EN ACTIONS. Lancement de cette stratégie du Président Andry Rajoelina, le samedi 6 novembre 2010, au Palais des Sports de Mahamasina à Antananarivo
  • Contact

Dossiers