Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
9 février 2014 7 09 /02 /février /2014 08:27

Fahatsiarovana ny 7 Febroary 2009, dimy taona lasa izay. Rehefa vita ny Lamesa notontosaina tao amin’ny kianja mitafo ao Mahamasina, dia nifampitafa tamin’ireo mpanao gazety maro tonga tao ny Filohan’ny Tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, sady mpitarika ny tolona tamin’ny taona 2009. Ity ny dika soratra ny ho renao ary ho hitanao ao anatin’io vidéo ambony io.

« Ny andro androany dia andro tsy afaka kosehina, andro tsy afaka fafàna satria fankalazana izany 7 Febroary izany. Ny tianay ampahatsiahivina dia tsotra : nisy tolona teto Madagasikara, nisy foto-kevitra, nijoroana teto, ary izany fotok’hevitra nijoroana izany dia tsy afaka havilivily, tsy afaka hatakalo satria saro-piaro loatra ny mpitolona sy ny tenako ».

 


Inona no ataon’ny MAPAR raha mivily izay resaka izay ?

« Ny MAPAR anie efa maro an’isa e ! Ho hita-tsika eo ny tohin’ny tantara… Fankalazana aloha ny ataon-tsika eto, zava-dehibe loatra izany fankalazana izany, ary ny tenako manokana dia hiaro ny foto-kevitra nijoroan’io tolona io, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ».


 

EN FRANÇAIS. Le sens de cette cérémonie d’aujourd’hui et votre présence, c’est quoi ?

« Ecoutez, il y avait une lutte populaire à Madagascar ; j’étais le Leader de cette lutte et je suis toujours là pour protéger la lutte populaire que j’ai menée à Madagascar. Il ne faut pas que cette lutte soit déviée ».


Est-ce qu’il est possible encore de faire une réconciliation entre tous les Malgaches, en général, et entre vous et Marc Ravalomanana en particulier ?

Sourire…

 

Mikasika ny fanendrena Praiminisitra ?

« Ny fanendrena Praiminisitra dia mazava : ny MAPAR no manolotra ny Praiministra. Misy fivoriana hataonay androany sy rahampitso, hamaritra an’izay tokony hatolotra ho Praiminisitra ».

Mety ao anatin’izay hatolotry ny MAPAR izay ve ianao Prezidà ?

« Mbola misy fivoriana lalina be no hatao amin’izany… ».


Vidéo sy Dika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy & Harilala Randrianarison

Sary : Andry Rakotonirainy

Partager cet article
Repost0

commentaires

De La Vision Aux Actions

  • : Le blog des actions d'Andry RAJOELINA
  • : TRANSFORMER NOTRE VISION EN ACTIONS. Lancement de cette stratégie du Président Andry Rajoelina, le samedi 6 novembre 2010, au Palais des Sports de Mahamasina à Antananarivo
  • Contact

Dossiers