Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
18 juin 2018 1 18 /06 /juin /2018 07:38
Andry Rajoelina miarahaba ny Ray rehetra. Fetin'ny Ray 2018
Amin’ity andro anio ity izay natao ahatsiarovana ny Ray dia mamelà ahy ianareo hanolotra ny haja mendrika ny Ray rehetra. 
 
Sarobidy, tsy voavidy ary tsy atakalo ny Ray.
Izy no mpiombona fitia amin’ny Reny, Izy no mpiara-dalana amin’ny Reny. Kiady, mpanilo sy mpitaridalana ny Ray. 
 
Enga anie ny Ray tsirairay avy hahatontosa izay zava-kendreny sy tiany ho tanterahina hanatsarana sy hitandroana ary hampirindrana ny fianakaviany. 
 
Maniry koa aho raha maniry mba ho vitan’ny Ray rehetra ny hampita amin'ny zanany ny soatoavina fototra, mba tsy hanao hafa tsy izay ho an’ny tombontsoan’ny tokantranony ny Ray tsiraray avy ary koa hitarika sy hanohana ny ankohonany ho amin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana. 
 
Ray: anjara toerana sarobidy izany fa adidy sy andraikitra goavana koa. Tokony ho haintsika Ray ny hamelona mandrakariva ny fanantenana, tokony ho modely isika amin’izany. Tokony ataontsika am-pieritreretana sy am-pitiavana lalina izany andraikitra goavana izany. 
 
Mahatsiaro manokana ireo vady aman-janako aho eto. Satriko indrindra ny ho tafaraka tamin’izy ireo androany. Saingy ity tetikasa efa nanolorako tena ity no mitana ahy lavitra azy ireo. Hamoaka an'i Madagasikara amin'izao toe-javatra iainany ankehitriny izao sy ny hametraka fototra mafy orina ho an'ny taranaka ho avy: izay ilay tetikasa. 
 
Misaotra azy ireo aho noho ny fanohanany ahy, noho ny finoany ahy amin'ity tetikasa ity, ary koa noho ny fientanany miaraka amiko  mba ho avy tsara kokoa no hiainan'ny firenentsika. 
 
Misaotra azy ireo koa aho noho ny fitiavany, ny herimpony sy ny fifikirany amin’i Madagasikara tanindrazana 
 
Misy teny vitsivitsy ireto avy amin’ny vadiko :
 
"Zarainao aminay ny fitavanao ny tanintsika. Ary noho ianao dia miraikitra aminy koa ny fo amam-panahinay. Fantatray ny fikirizanao hamaritra hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny Malagasy mpiray tanindrazana. Fantatray fa ny nofinofinao dia ny hahatonga an’i Madagasikara ho firenena maoderina sy  mandresy ny fahantrana. 
Ny elanelan-tany tsy manamora ny fiainam-pianakaviantsika, nefa mino izahay. Mino anao sy matoky koa ny zanatsika fa hahita voka-tsoa ianao amin’izany. Resy lahatra izahay fa tsy ho nofy fotsiny izay rehetra kasainao. Mivavaka isan’andro izahay mba hatanjaka ianao ary hitoetra anaty fahatokiana.
Tsarovy fa ny lalam-piainana tsy hoe mahitsy , tsy migodàna. Ary amin’izany aza betsaka kokoa ny tsy fantatra. Tsy natao hanimbàna anao izay rehetra sedra sy hasahiranana mety hifanena aminao eny andalana eny fa matoa ireny misy dia hanampy anao hahatontosanao izay tetikasa sarobidy indrindra aminao. 
Tsy misy fiainana tonga lafatra sy lavorary, fa isika kosa no hameno izany amina fotoana sy asa hahalavorary azy. Bonne Fête Papa !! "
 
Andry Rajoelina, Alahady 17 Jona 2018
Partager cet article
Repost0

commentaires

De La Vision Aux Actions

  • : Le blog des actions d'Andry RAJOELINA
  • : TRANSFORMER NOTRE VISION EN ACTIONS. Lancement de cette stratégie du Président Andry Rajoelina, le samedi 6 novembre 2010, au Palais des Sports de Mahamasina à Antananarivo
  • Contact

Dossiers