VIDEO : FANAMBARANA ARA-POMBA OFISIALY TAO AMINY TVM (Tsindrio eto)
FANAMBARANA AN-GAZETY
Fodiamandrin’ny Ministry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy
Ny Filohan’ny Fahefana Avo ny Tetezamita mivady dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny Fianakavian’ny Ministry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, amin’ireo Mpiara-miasa aminy, miisa telo, sy amin’ireo Mponina ao Soanierana Ivongo, miisa fito, izay nodimandry tampoka noho ny loza an-dranomasina nitranga tany an-toerana.
Itompokovavy RAMAROSON Nadine dia iarahantsinika rehetra manaiky fa nahavita be tokoa teo amin’ny asa sy adidy izay nataony, izay tsy nitsaharany sy tsy nahalalany asasarana tamin’ny fikarakarana ny sosialim-bahoaka.
Izany rahateo no nampitoetra hatrany ny fitokisan’ny Fitondram-pajakana taminy ka nametrahana sy nanendrena azy hatrany nisahana io Ministera io.
Marihina moa fa teo am-panatanterahana izany adidny izany izy izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao.
Andriamanitra Andriananahary anie hanome fionana feno ho antsika tsirairay avy ho fiatrehantsika izao namoizana olo-mangan’ny Firenena izao.
Antananarivo, faha-28 Aogositra 2011
Ny Filohan’ny Fahefana Avo ny Tetezamita
RAJOELINA Andry Nirina
/http%3A%2F%2Fwww.madagate.com%2Fimages%2Fpics%2F2011%2F08%2Fnadine3.jpg)