TRANSFORMER NOTRE VISION EN ACTIONS. Lancement de cette stratégie du Président Andry Rajoelina, le samedi 6 novembre 2010, au Palais des Sports de Mahamasina à Antananarivo
Par Andry TGV
Azera ianao tafatsangana
Kapohina tsy mety mangana
Tapenam-bava, re manako feo
Takonana ianao mbola miseho
Kapaina ianao vao may mamoa
Ataovy lavi-masoandro, tsy mety lo
Alevina manjary manangatra
Mampitsangam-bolo ireo niangatra
Ianao ilay marina, tsy azo lotoina
Saro-takarina, tsy maty vonoina
Ianao raha miseho lasa poizina
Mitranga amin’ny ora tsy am-poizina
Handrahona ireo manompo ny tsy rariny
Mampihonjona ny rindrindra namboariny
Potehina tsy miparitaka
Finganina tsy voafitaka
Enjehina vao maika manantona
Avela anefa loza mihantona
Kobonina ianao te-hipoaka
Gadraina ianao fa tafavoaka
Akifika mbola mifikitra
Arendrika tsy mety difitra
Ianao ilay marina, tsy azo disoina
Saro-takarina tsy mety vonoina
Atao eny aloha, vay an-kandrina
Avela any aoriana, mampitandrina
Hoe ny lainga azo amboarina
Ny marina tsy azo itarina
/http%3A%2F%2Fwww.madagate.com%2Fimages%2Fpics%2F2013%2F02b%2Fdadafafa.jpg)
Fafah sy Dadah (Tarika MAHALEO)
Eclipse Next 2019 - Hébergé par Overblog