TRANSFORMER NOTRE VISION EN ACTIONS. Lancement de cette stratégie du Président Andry Rajoelina, le samedi 6 novembre 2010, au Palais des Sports de Mahamasina à Antananarivo
Soson-kevitra fa tsy fanakianana akory. Mila tandremana ny teny avoka satria @ fotoanan'ny ady hevitra miaraka @ ireo mpifanandrina dia tsy hifampitsitsy. Ka hendry kokoa raha tsy lazaina intsony hoe ho voalohany i Madagasikara fa ampy raha tenenina fotsiny hoe handroso @ alalan'ny fandresen-dahatra. Ny antony dia tsotra: satria tsy ny havoalohany an'i Madagasikara no takina na dia izany aza ny firarina, ary mety midi-kizo @ fampanantenana pokaty: raha voalohany @ firenena tsy mandroso dia tsy misy dikany, raha tia hisongona ny firenena efa lasa lavitra dia mety hananfitohana an'izy ireo. Ny zavatra azo takina @ mpitondra dia ny hampandroso, ka ny mason-tsivana dia arak'ilay fitenenana hoe: " aza ny namanao no hifaninananao fa ny tsara vitanao omaly", ary tsy midika izany hoe tsy afaka mijery soa any @ hafa satria ny soa fianatra kanefa tsy hisy hafaka hanakina @ rariny raha tenenina fotsiny hoe handroso i Madasikara: miakatra ny farimpiainana, misondrotra ny kalintaon'ny fampiananrana, na izay fotsiny mandritra ny dimy taona dia efa tena hahafaly ny vahoaka. Samia ho tahin'Atra.