TRANSFORMER NOTRE VISION EN ACTIONS. Lancement de cette stratégie du Président Andry Rajoelina, le samedi 6 novembre 2010, au Palais des Sports de Mahamasina à Antananarivo
Par Andry TGV
“ Misaotra anareo tonga marobe, tsy nampoiziko ho marobe toa izao ianareo nitsena ahy, tonga amin’izao eto an-tanindrazana, niverina an-tanindrazana, taorian’ny fametrahana ny dingana izay tokony hatao hoentina hanolotra vahaolana hanavotana ny firenena. Marina tokoa fa nandritra izay efa-taona izay, dia tsy dia hita loatra ny tenako teo amin’ny fanehoan-kevitra. Ary eto dia averiko indray ilay teny hoe: “tsy resy akory ny olo-mangina”.
Fa tao anatin’izay efa-taona izay, nisy zavatra roa no mitranga teto amin’ny firenena: ao ny miazakazaka mitady fahefana, mitady handrobaka ny fahefana. Fa ny aho kosa sy ny mpiara-miasa amiko dia ny azakazaka any amin’ny fitadiavana sy fijerena ireo vahaolana. Ankehitriny dia ataoko fa feno izay fepetra izay, ary mbola manomboka hatrany ihany koa ny fihainoana ny vahoaka malagasy iray manontolo
Eto aho dia manambara aminareo rehetra rehetra fa amin’ny alahady ho avy izao (Ttf: 18 Febroary 2018) dia hisy valan-dresaka lehibe izay ho ataoko ho an’ny vahoaka malagasy iray manontolo, izay haseho mivantana amina fahitalavitra izay ho tenenin-tsika eto ihany moa, ho lazaina aminareo ny fandaharam-potona mikasika an’izay. Fa fotoan-dehibe tokoa io satria fotoana hifanomezana. Raha tao anatin’ izay efa-taona izay no tsy hita, no tsy re, dia fotoana izao itenenana ary misy ny fiteny hoe: “Misy fotoana anginana dia misy fotoana itenenana” ka tonga ny fotoana hitenenana sy hijoroana, ary indrindra handrosoana vahaolana ho an’ny vahoaka malagasy, ho an’ny firenena.
Izay angamba ny lava izay ny fohy ka dia fisaorana sy fankahatelemana no entina ho antsika rehetra rehetra manatrika eto, ho anareo rehetra rehetra izay tsy nahalavi-tany sy nahafoy fotoana ihany koa tonga amin’izao fotoana izao. Misaotra dia mirary soa antsika rehetra, samia ho tahin’Andriamanitra. Manomboka ity ny taona 2018, ary mino sy manantena aho fa hifarana ao anatin’ny afaliana, firavoravoana ary indrindra indrindra fanantenana ho an’ny vahoaka malagasy ”.
Nandika ny feo ho soratra mitoetra : Jeannot Ramambazafy
/https%3A%2F%2Flaverite.mg%2Fimages%2F2936_la_une.jpg)
Andry Rajoelina à Ivato " Le silence ne vaut pas défaite "
" Un temps pour se taire, et un temps pour parler ", " le silence ne vaut pas défaite " ! Andry Rajoelina, ancien président de la Transition s'est approprié ces expressions dans sa stratégie ...
Eclipse Next 2019 - Hébergé par Overblog






